Nouveautés

carre gris Le fabuleux voyage de Tromblon

carre gris Blanche et la dragonne

carre gris Melvin

carre gris Le roi sans couronne

Traducteur

Bonus

J'aime

Recommander à un ami Recommander à un ami


Pour recommander ce texte, merci de compléter ce formulaire.
Tous les champs sont obligatoires









Outils

Ilay boloky telo nifampialona

perroquet

Indray andro hono, tao anatin'ity ala mikitroka iray, nisy boloky mena-maitso-mavo nihantona teo ambony hazo.
Dia niteny tamin'ilay boloky mena hono ity boloky maitso be fialonana : “tena miendrika ny boloky fetsifetsy mihitsy ianao amin'izato volonao mena!”.

Tafintohina tamin'ny teniny ity boloky mena ka namely nanao hoe : “maninona anao ny voloko menamena?” tsara tarehy anie ny voloko mena e! sady izaho koa tsy manana hafa ankoatr'io. Ka na tsy tianareo aza ny voloko, ao anivon'ny voninkazo ao aho dia tsy miavaka.

Anjaran'ilay boloky mena indray no nilaza ity boloky mavo hoe “toa ohatry ny vorona fetsifetsy izany ianao amin'izato volonao mavomavo!”.
Dia tafintohina ihany koa ity boloky mavo sady namely azy hoe : “fa maninona ny voloko mavomavo? Tsara tarehy ny voloko mavomavo! Ary na dia tsy tianareo aza ny voloko, izaho ihany no hita avy eny an-danitra eny.
Dia mba anjaran'ilay boloky mavo sady tezitra no niteny ilay boloky maitso nanao hoe : “tena ohatry ny boloky fetsifetsy izany ianao amin'ity volonao maitsomaitso!”.

Sorena tokoa ilay boloky maitsomaitso sady namaly hoe : “maninona ny voloko maitsomaitso?” Tsara tarehy ny voloko maitsomaitso! Sady izaho koa tsy manana hafa ankoatr'io. Ka na tsy tianareo aza ny voloko, ao anaty ravina aho tsy hita mihitsy.

Tamin'izay fotoana izay anefa, nisy oram-baratra namely mafy ny tao an'ala. Nitsoka mafy ny rivotra, nipoaka ny varatra, nirotsaka ny orana. Nitampify ireto boloky telo mba hifampiaro. Vao maika nihamafy tokoa ny rivotra ka dia nasavilivilin'ny rivotra havia sy havanana, voahozongozona etsy sy eroa.

Fa vao maraina be, rehefa niposaka ny masoandro, dia tsy nisy intsony na boloky maitso, na boloky mena, na boloky mavo. Nisolo toerana azy ireo boloky telo tsara tarehy miloko mena sy maitso ary mavo. Satria, tao anatin'ny rivotra mafy nifofofofo, dia nifangaro ny volon'izy ireo.

Copyright © 2006, © 2013 - La tête dans les mots