Nouveautés

carre gris Le fabuleux voyage de Tromblon

carre gris Blanche et la dragonne

carre gris Melvin

carre gris Le roi sans couronne

Traducteur

Bonus

J'aime

Recommander à un ami Recommander à un ami


Pour recommander ce texte, merci de compléter ce formulaire.
Tous les champs sont obligatoires









Outils

Ikotofetsy sy Imahaka

Terrible et Horrible

Nisahotaka indray ny fiandrianana tatsinanana tamin'ity volana aogositra mahafinaritra ity : niverina i Kotofetsy. Mihorohoro ny ambanilanitra satria tsy mety afapo i Ikotofetsy : izay rehetra azo trohana, dia trohin'i Ikotofetsy. ‘Zay rehetra azo atelina dia atelin'i Ikotofetsy.
Taitra, niezaka nanafina ny ombiny, sy ny kisoa ary ny akohony ny mpiompy : tsy nisy ny azo atao, nahita hevitra foana i Ikotofetsy ny hihinanana azy ireo. Mahita hevitra foana ratsimifaditrovana ny hitsakotsakoana azy ireo.
Tsy biby tsy zavamaniry, ataon'i Ikotofetsy indray mihinana.
Tsianoharana, nitaraina tamin'ny mpanjaka ny vahoakan'i tatsinanana :
- Indreto zahay leo, tsy tokony hitohy intsony ny toy izao, hoy ny vahoaka nitaky. Alefaso ny miaramilanao, ataovy izay tianao, fa avereno aminay ny fandriampahalemana!
Nisafotofoto taminkahatezerana noho izany ny mpanjaka, nangoniny ny miaramilany mba hizaha ny herisetra ny fiandrianana tatsinanana. Nahita an'I kotofetsy maka aina eo andohasaha ry zareo.
- “Ikotofetsy”, hoy ny mpanjaka nibetroka, tsy haharitra intsony izao. Isan-taona izao, tonga ianao dia majifa ny fanjakako manontolo. Ampy izay, ndeha zahao ny manodidina rehetra dia avelao amimpiadanana izahay.
Teo anatrehan'ny fahasian'ny mpanjaka sy ny miaramilany, ratsimifaditrovana dia tapakevitra ny handao ny fanjakana tatsinanana ka hifindra eo afovoany.
Fa tao amin'ny fanjakana afovoany, Ikotofetsy nikaika :
- Inona koa ity fanjakana ity : tsy misy afatsy vato, tsy misy n'inona n'inona hanaovana hafetsena.

Nisahotaka indray ny fiandrianana tandrefana amin'ity volana aogositra mahafinaritra ity : niverina i « Imahakà ». Nihorohoro ny vahoaka! Satria Imahakà dia tsy voatohana: izay azo ampitahoriny, dia ampitahorin'I Imahakà. Izay rehetra mety hadalainy, dia hadalain'Imahakà. Izay rehetra mety hampirohorohoroana dia horohoroan'Imahakà.
Taitra, niezaka ny hanafina ny alikany, ny saka, ny trondro menany ny mponina: tsy nisy azo atao. Nahita hirika foana ny hamitahana azy ireo Imahakà. Taitra, nanandrana ny nanafina ny ankizy, ny antitra sy ny ankizivavy ny ray amandreny. Mahita hevitra ny hampitahotra azy ireny foana Imahakà.
Na biby na olona, ataon'imahakà maivana izy ireo.
Tofoka, nitaraina tamin'ny mpanjaka ny vahoakan'ny fiandrianana tandrefana.
Ndreto leo, tsy lasa intsony izao, hoy ny hiakan'ny vahoaka. Alefaso ny miaramilanao, ataovy izay tianao hatao, fa avereno aminay ny fahandriampahalemana!
Nisafotofoto taminkahatezerana noho izany ny mpanjaka, nangoniny ny miaramilany mba hizaha ny herisetra ny fiandrianana tandrefana. Hitan'izy ireo Imahakà makamaka aina eo andohasaha :
- Imahakà, hoy ny mpanjaka nibetroka, tsy lasa intsony izao. Isan-taona, izao foana, tonga ianao dia manapoizina ny fanjakako. Ampy izay! Ndeha mizaha ny fanjakana ao afovoany de avelao izahay.
Teo anatrehan'ny fahasian'ny mpanjaka sy ny miaramilany, Imahakà dia tapakevitra ny handao ny fanjakana tandrefana ka hifindra eo afovoany.
Fa teo amin'ny fanjakana afovoany , hoy indrindra Imahakà:
- Inona koa ity fanjakana ity : tsy misy afatsy vato ; tsy misy n'inona n'inona hivalaharana.

- O ry Balita a ! Ikoto a ! Inona no mbola ataonareo ao izao e  ? nanahy ny mpiray vodirindrina, ary niantso sao tsatohin'izy ireo ny antsy ao ny kisoa. I Randria te hiantso ny mpamono afo !
Teo ampikarakarana zaridaina i Neny, no nihiaka, oay, loza ity !
Andriamanitra ô, ny zaridainako! Ny tanin'anako! Inona ty ataonareo ? Ary ny saka ? Inona ‘ty ataony ery ambony paoma ery ?,
Ary inona koa no itakisinan'io alika io eo akaikin'ny tranony eo ?
I Balita sy Ikoto koa eo ampovoan-dalana nitanondrika.
- Andraikaky o, nilalao “Ikotofetsy” sy “Imahakà” indray nareo! Efa mankaleo mihitsy ny hadalanareo. Halamino haingana ireo. Avy eo, ndeha miakatra any amin'ny efitrareo ary mijanona ao mandrapisakafo hariva !
Mimi, Mimi, avia zany mimi keliko.


Copyright © 2006, © 2013 - La tête dans les mots