Nouveautés

carre gris Le fabuleux voyage de Tromblon

carre gris Blanche et la dragonne

carre gris Melvin

carre gris Le roi sans couronne

Traducteur

Bonus

J'aime

Recommander à un ami Recommander à un ami


Pour recommander ce texte, merci de compléter ce formulaire.
Tous les champs sont obligatoires









Outils

Ilay kankana faran’izay bitika

Poule blanche et poule brune

Eo an-joron'ity tranon'akoho iray, indro misy akoho fotsy matavy mivoraka sy akoho mivolom-batolalaka nofosana tsara ery, manonofy tsara eo ambany masoandron'ny ririnina, rotsirotsin'ny feon'iretsy sasany miara-monina ao an-toerana.

- Hono ho'aho, nanatody firy izao ianao androany? Hoy ny fanontanian'ny akohovavy mivolom-batolalaka iray tamin'ilay akohovavy fotsy.
- Iray ihany, hoy ilay akohovavy fotsy, ary ny anao?
- Aotra!
- Ntss….! Tsy tian'ny mpikarakara izany !
- Fantatro izany, hoy ilay akohovavy mivolombatolalaka nisento.
Dia sondriantory ireto akoho tao anatin'ny korontan'ny manodidina;

- Hono'ho aho, rahoviana no mandalo ny mpikarakara hitondra sakafo? Hoy indray ilay akoho fotsy nanontany ny akoho mivolombatolalaka.
- O ! Tsy alohan'ny amin'ny iray, namaly ilay akoho mivolombatolalaka. Fa maninona?
- Noana aho!
- Andray, sady nisento ilay akoho fotsy.
Dia naira-nankafia moramora ireto lalaon'ny akohokely ireto akoho miresaresa.

Tampoka anefa, naheno mangitingitika tao amin'ny iray amin'ireo tongony ny akoho fotsy.
- Oy, kankana! sady niantsoantso izy
- hay ve? Aiza izany? Hoy ilay akoho mivolombatolalaka nanontany.
- Io, eo akaikin'ny tongotro havanana.
- Kely dia kely ity izy, hoy ny fanamarihan'ilay namany.
- Marina izany. Mihevitra ve ianao fa azo hohanina izy io? Tena kely loatra izy….
- Rehefa tsy tianao izy dia omeo ahy, hoy indray ny antsoantson'ilay akoho fotsy.
Dia nampandroso ny tendany ilay akohovavy fotsy, ary nibanjina ela ity kankana kely tsy mahatsiaro tena, ary dia nanatraka ny lohany.
- Tsia, aoka izao, afoiko ho anao izy. Tena kely loatra izy, hoy izy sady tsiravina.
- Tena tsy tia ve ianao? Tsy tianao izy an, hoy ilay akoho nivolombatolalaka nanontany.
- Aleoko miandry ny mpikarakara sy ny katsany e.
- Izay tianao ……
Dia andeha hihinana hitsaingoka ilay tsy mitandrina ilay akoho mivolombatolalaka ary nihaotra tamin'ny fotoana farany :
- tsia, avelako ho anao izy. Ianao no nahita azy voalohany, anao izany izy.
- Aza mihahotra, hoy ny akoho fotsy namely. Etsy izato izy. Tsy dia tena noana toy ny inona loatra aho. Afaka miandry ny mpikarakara.
- Hmmmmmn tena tsara izany kankana izany an, hoy ilay akoho mivolombatolalaka nankafy.

Tampoka teo anefa, nahatsiaro tena ho tra-doza ilay kankana bitika kely ka nanomboka nihazakazaka diso fanantenana mba hivoahana ity loza. Teo andanin'izany, raha tapa-kevitra ny hihinana ilay kankana kely iny ilay akohovavy mivolombatolalaka, dia indro nisy akohokely tsy misy hambahamba nipoitra tampoka teo anelanelan'ireto akohovavy miresaresa ary dia nanatelina avy hatrany ilay kankana bitika kely, tsy nisy alaharo.


Copyright © 2006, © 2013 - La tête dans les mots