Nouveautés

carre gris Le fabuleux voyage de Tromblon

carre gris Blanche et la dragonne

carre gris Melvin

carre gris Le roi sans couronne

Traducteur

Bonus

J'aime

Recommander à un ami Recommander à un ami


Pour recommander ce texte, merci de compléter ce formulaire.
Tous les champs sont obligatoires









Outils

Ilay alikadia te-hatory

Hono'ho aho Neny, ahoana kay no ataon'ny bitro kely mba hahitany tory?
“Karakarain'ny reniny dite-na salady izy dia tantarainy ny tantaran'ilay “karaoty nahay niteny”, hoy ny reniny.

Hono'ho aho Neny, ahoana ny ataon'ny mpamosavy kely mba hahitany tory?
“Karakarain'ny reniny dite-na ramanavy izy dia tantarainy tantarana diavolana sy ny alikadia”, hoy ny reniny.

Hono'ho aho Neny, ahoana ny ataon'ny “ours” kely mba hatoriany?
“Karakarain'ny reniny tantely sy sakafo izy dia tantarainy ny tantaran'ny fandresen'ny “ours” niady tamin'ny tantely”, hoy ny reniny.

Hono'ho aho Neny, ahoana ny ataon'ny “ogre” kely mba hatoriany?
Karakarain'ny reniny dité-na hena mendy izy dia tantarainy ny tantaran'ny “petit poucet”.

Hono'ho aho Neny, ahoana ny ataon'ny trozona mba hahitany tory?
“arakarain'ny reniny dité-na “lomotra” izy dia tantarainy “Moby Dick”.

Hono'ho aho Neny, ahoana ny ataon'ny alikadia kely mba hahitany tory?
Karakarain'ny reniny dité-na taolam-pe izy dia tantarainy ny tantaran'ilay zazalahy kely mahalala fomba”, hoy ny reniny.

Hono'ho aho Neny, ahoana ny ataonao mba hahitako tory?
“Karakaraiko ronono mafana tsara iray vera be ianao dia tantaraiko tantara tsara be”.

Copyright © 2006, © 2013 - La tête dans les mots